Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 53:1-3 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ho an'ny mpiventy hira. Al-mahalath. Maskila nataon'i Davida. Ny adala manao anakampo hoe: tsy misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy, tsy misy manao ny tsara.

2. Eny an-danitra Andriamanitra miondrika mijery ny zanak'olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady an'Andriamanitra.

3. Samy efa nivily izy rehetra ka tonga vetaveta avokoa; tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza.

Vakio ny toko manontolo Salamo 53