Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 51:6-13 Malagasy Bible (MG1865)

6. Indro, fahamarinana ao am-po no sitrakao; ary fahendrena ao amin'ny miafina no ampahafantarinao ahy.

7. Diovy hysopa aho ho afa-pahotana, dia hadio; sasao aho, dia ho fotsy mangatsakatsaka.

8. Ampandreneso fifaliana sy faharavoravoana aho, hifalian'ny taolana izay voavakivakinao.

9. Afeno ny tavanao ny fahotako ary vonoy ny heloko rehetra.

10. Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko.

11. Aza manary ahy hiala eo anatrehanao; ary aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko.

12. Ampodio amiko ny fifaliana amin'ny famonjenao; ary tohàny fanahy mazoto aho.

13. Dia hampianatra ny olon-diso ny lalanao aho; ary ny mpanota hampiverenina aminao.

Vakio ny toko manontolo Salamo 51