Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 51:10-19 Malagasy Bible (MG1865)

10. Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko.

11. Aza manary ahy hiala eo anatrehanao; ary aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko.

12. Ampodio amiko ny fifaliana amin'ny famonjenao; ary tohàny fanahy mazoto aho.

13. Dia hampianatra ny olon-diso ny lalanao aho; ary ny mpanota hampiverenina aminao.

14. Vonjeo ho afaka amin'ny valin-drà aho, Andriamanitra ô, Andriamanitry ny famonjena ahy; hihoby ny fahamarinanao ny vavako.

15. Tompo ô, sokafy ny molotro, dia hanambara ny fiderana Anao ny vavako.

16. Fa tsy fanatitra no sitrakao; raha izany dia nomeko ihany; ny fanatitra dorana tsy mahafaly Anao.

17. Ny fanatitra ho an'Andriamanitra dia fanahy torotoro; ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona.

18. Manaova soa amin'i Ziona araka ny fahasoavanao; ataovy ny mandan'i Jerosalema.

19. Dia ho sitrakao ny fanati-pahamarinana sy ny fanatitra dorana ary ny fanatitra levonina amin'ny afo; dia hanatitra vantotr'ombilahy eo amin'ny alitaranao ny olona.

Vakio ny toko manontolo Salamo 51