Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 51:1-12 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida, fony Natana mpaminany nankao aminy rehefa naka an'i Batseba izy. Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, araka ny fahasoavanao; araka ny haben'ny fiantranao vonoy ny fahadisoako.

2. Sasao madio aho mba ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana.

3. Fa tsaroako ny fahadisoako, ary eo anatrehako mandrakariva ny fahotako.

4. Taminao dia taminao ihany no nanotako, ary izay ratsy eo imasonao no efa nataoko, mba ho marina Hianao, raha miteny, ary tsy hanan-tsiny Hianao, raha mitsara.

5. Indro, tamin'ny heloka no niterahana ahy, ary tamin'ny fahotana no torontoronina ahy ny reniko.

6. Indro, fahamarinana ao am-po no sitrakao; ary fahendrena ao amin'ny miafina no ampahafantarinao ahy.

7. Diovy hysopa aho ho afa-pahotana, dia hadio; sasao aho, dia ho fotsy mangatsakatsaka.

8. Ampandreneso fifaliana sy faharavoravoana aho, hifalian'ny taolana izay voavakivakinao.

9. Afeno ny tavanao ny fahotako ary vonoy ny heloko rehetra.

10. Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko.

11. Aza manary ahy hiala eo anatrehanao; ary aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko.

12. Ampodio amiko ny fifaliana amin'ny famonjenao; ary tohàny fanahy mazoto aho.

Vakio ny toko manontolo Salamo 51