Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 49:1-9 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita. Salamo. Mandrenesa izao, ry firenena rehetra; mihainoa, ry mponina rehetra amin'izao tontolo izao:

2. Na ny ambany, na ny ambony, na ny manan-karena, na ny malahelo.

3. Ny vavako hiteny fahendrena; ary ny fieritreretan'ny foko dia fahalalana.

4. Hanongilana ny sofiko hihaino oha-teny aho, ary hanonona teny saro-pantarina ampiarahiko amin-dokanga.

5. Nahoana no hatahotra amin'ny andro fahoriana aho, nony manodidina ahy ny haratsian'ny mpamingana ahy,

6. Dia izay matoky ny hareny, Sy mirehareha amin'ny haben'ny fananany?

7. Tsy misy mahavotra ny rahalahiny akory, na mahazo manome an'Andriamanitra izay avony,

8. (Fa sarotra avotra ny ainy ka tsy azo atao mandrakizay),

9. Mba ho velona mandrakizay izy, ka tsy ho latsaka ao amin'ny lavaka.

Vakio ny toko manontolo Salamo 49