Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 47:1-7 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita. Salamo. Mitehafa tanana, ry firenena rehetra; mihobia ho an'Andriamanitra.

2. Fa Jehovah no avo indrindra ka tokony hatahorana; Mpanjaka lehibe ambonin'ny tany rehetra Izy.

3. Mandresy firenena maro Izy ho ambanintsika ,ary firenen-tsamy hafa ho ambanin'ny tongotsika.

4. Mifidy ny lovantsika ho antsika Izy, dia ny voninahitr'i Jakoba izay tiany.

5. Efa niakatra tamin'ny fihobiana Andriamanitra, Jehovah niakatra tamin'ny fitsofana ny anjomara.

6. Mankalazà an'Andriamanitra, eny mankalazà; mankalazà ny Mpanjakantsika, eny, mankalazà.

7. Fa Mpanjaka amin'ny tany rehetra Andriamanitra; mahaiza mankalaza tsara ianareo.

Vakio ny toko manontolo Salamo 47