Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 45:6-16 Malagasy Bible (MG1865)

6. Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria; tehim-pahamarinana ny tehim-panjakanao.

7. Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka; koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana anao mihoatra noho ny namanao.

8. Miora sy hazo manitra ary kasia ny fitafianao rehetra, zava-maneno avy ao amin'ny lapa ivory no mampifaly anao.

9. Zanakavavin'andriamanjaka no isan'ny malalanao; eo ankavananao no itoeran'ny vadin'ny mpanjaka, miravaka volamena avy any Ofira.

10. Henoy, razazavavy, dia jereo, ka atongilano ny sofinao, ary hadinoy ny firenenao sy ny tranon-drainao;

11. Raha irin'ny mpanjaka ny hatsaran-tarehinao - fa izy no tomponao - dia miankohofa eo anatrehany.

12. Ary ny zanakavavin'i Tyro hitondra fanatitra; eny, ny manan-karena amin'ny vahoaka hila sitraka aminao.

13. Be voninahitra ny zanakavavin'ny mpanjaka ao anaty trano; tenona misy volamena no fitafiany.

14. Mitafy lamba misoratsoratra izy ka entina ho ao amin'ny mpanjaka: ny zazavavy sakaizany izay manaraka azy dia entina ao aminao.

15. Entina amin'ny fifaliana sy ny firavoravoana ireny; hiditra ao an-dapan'ny mpanjaka izy.

16. Ho solon-drainao ny zanakao, hotendrenao ho mpanapaka eny amin'ny tany rehetra izy.

Vakio ny toko manontolo Salamo 45