Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 44:13-26 Malagasy Bible (MG1865)

13. Ataonao fandatsan'ny olona miray monina aminay izahay, dia fanakora sy faneson'izay manodidina anay.

14. Ataonao ho ambentinteny amin'ny firenen-tsamy hafa izahay, dia fihifikifihan-doha amin'ny olona maro.

15. Tsaroako mandrakariva ny fahafaham-boninahitro, ary efa manafotra ahy ny fangaihaizako,

16. Noho ny feon'ny mpanaratsy sy ny mpanamavo, noho ny fahavalo sy ny mpamaly ratsy.

17. Izany rehetra izany no manjo anay, nefa tsy manadino anao izahay ary tsy mivadika ny fanekenao.

18. Tsy mihemotra ny fonay, ary tsy miala amin'ny lalanao ny dianay.

19. Nefa Hianao nanorotoro anay teo amin'ny fitoeran'ny amboadia sy nanarona anay tamin'ny aloky ny fahafatesana.

20. Raha nanadino ny anaran'Andriamanitray izahay, na nananty tanana tamin'ny andriamani-kafa,

21. Tsy handinika izany va Andriamanitra? Fa Izy mahalala ny miafina ao am-po.

22. Fa noho ny aminao no amonoana anay mandrakariva; toy ny ondry hovonoina no fijery anay.

23. Mifohaza, ry Tompo ô, nahoana no matory Hianao? Mitsangàna, aza manary mandrakizay.

24. Nahoana no manafina ny tavanao Hianao, ka manadino ny fahantranay sy ny fahorianay?

25. Fa miankohoka amin'ny vovoka ny fanahinay, miraikitra amin'ny tany ny kibonay.

26. Mitsangàna hamonjy anay, ary avoty izahay araka ny famindram-ponao.

Vakio ny toko manontolo Salamo 44