Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 41:8-13 Malagasy Bible (MG1865)

8. Tena zava-dratsy, hoy izy, no aidina aminy; ary raha mandry izy dia tsy hitsangana intsony.

9. Eny, ny sakaizako, izay maha-toky ahy sady nihinana ny haniko, no nanangana ny ombelahin-tongony hamely ahy.

10. Fa ianao kosa Jehovah ô, mamindrà fo amiko, ka atsangano aho mba hamaliako azy.

11. Izao no hahafantarako fa mankasitraka ahy Hianao, dia ny tsy anakoran'ny fahavaloko ahy.

12. Ary ny amiko, dia manohana ahy amin'ny fahitsiako Hianao, ka mampitoetra ahy eo anatrehanao mandrakizay.

13. Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hatramin'ny taloha indrindra ka mandrakizay. Amena dia Amena.

Vakio ny toko manontolo Salamo 41