Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 41:2-10 Malagasy Bible (MG1865)

2. Jehovah hitandrina sy hiaro azy tsy ho faty; hatao ho sambatra ambonin'ny tany izy, ary tsy mba hatolotrao amin'ny sitrapon'ny fahavalony.

3. Jehovah hanohana azy eo ambonin'ny farafara hitsaboana azy. Ny fandriany rehetra eo am-paharariany dia hovanao.

4. Hoy izaho: Jehovah ô, mamindrà fo amiko; sitrano ny fanahiko, fa efa nanota taminao aho.

5. Ny fahavaloko maniry ahy ho simba ka manao hoe: Rahoviana no ho faty izy, ka ho very ny anarany?

6. Ary raha avy mamangy, izy dia miteny zava-poana; ny fony mamory faharatsiana ho an'ny tenany; mivoaka eny ivelany izy ka milazalaza.

7. Mitakoritsika ahy izay rehetra mankahala ahy; misaina hanisy ratsy ahy izy.

8. Tena zava-dratsy, hoy izy, no aidina aminy; ary raha mandry izy dia tsy hitsangana intsony.

9. Eny, ny sakaizako, izay maha-toky ahy sady nihinana ny haniko, no nanangana ny ombelahin-tongony hamely ahy.

10. Fa ianao kosa Jehovah ô, mamindrà fo amiko, ka atsangano aho mba hamaliako azy.

Vakio ny toko manontolo Salamo 41