Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 4:3-8 Malagasy Bible (MG1865)

3. Kanefa aoka ho fantatrareo fa efa navahan'i Jehovah ho Azy ny tsara fanahy; Jehovah hihaino, raha miantso Azy aho.

4. Tezera, fa aza manota; mieritrereta eo am-pandrianareo, ka mangina.

5. Manatera fanati-pahamarinana,ary matokia an'i Jehovah.

6. Maro no niteny hoe: iza no haneho soa antsika? Asandrato aminay ny fahazavan'ny tavanao, Jehovah ô.

7. Efa nasianao fifaliana ny foko mihoatra noho ny tamin'ny taona nahabetsahan'ny variny sy ny ranom-boalobony.

8. Handry amin'ny fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin'izay, satria Hianao, Jehovah ô, no mampitoetra ahy mitokana irery tsy manana ahiahy.

Vakio ny toko manontolo Salamo 4