Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 4:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Salamo nataon'i Davida. Raha miantso aho, mamalia ahy, ry Andriamanitry ny fahamarinako ô; Raha tao an-katerena aho, dia nohalalahinao toerana; Mamindrà fo amiko, ka henoy ny fivavako.

2. Ry lehibe, mandra-pahoviana no hataonareo ho henatra ny voninahitro, ary ho tia zava-poana sy hamoron-dainga ianareo?

3. Kanefa aoka ho fantatrareo fa efa navahan'i Jehovah ho Azy ny tsara fanahy; Jehovah hihaino, raha miantso Azy aho.

4. Tezera, fa aza manota; mieritrereta eo am-pandrianareo, ka mangina.

5. Manatera fanati-pahamarinana,ary matokia an'i Jehovah.

Vakio ny toko manontolo Salamo 4