Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 39:4-13 Malagasy Bible (MG1865)

4. Jehovah ô,ampahafantaro ny farako aho sy izay ohatry ny androko; aoka ho fantatro fa olon-kandalo aho.

5. Indro efa nataonao vodivoam-pelatanana ny androko, ary ny fiainako toy ny tsinontsinona eo anatrehanao. Zava-poana ihany tokoa ny olon-drehetra, na dia matanjaka aza.

6. Aloka tokoa no fandehandehan'ny olona; zava-poana tokoa no itabatabàny; mihary harena izy nefa tsy fantany izay ho tompon'izany.

7. Ary ankehitriny, inona no andrasako Tompo ô? Hianao no antenaiko.

8. Manafaha ahy amin'ny fahadisoako rehetra; aza manao ahy ho fanakoran'ny adala.

9. Mangina aho ka tsy miloa-bava fa ianao no nanao izao.

10. Aoka hitsahatra ny fikapohanao ahy; reraka aho azon'ny famelin'ny tananao.

11. Anatra noho ny fahadisoany no ananaranao ny olona, ka manimba ny hatsaran-tarehiny tahaka ny kalalao ianao; zava-poana tokoa ny olona rehetra.

12. Mandrenesa ny fivavako Jehovah ô,ary mihainoa ny fitarainako; aza mangina amin'ny ranomasoko fa vahiny aminao aho sy mpivahiny tahaka ny razako rehetra.

13. Aza atrehinao aho aloha, dia ho miramirana indray, dieny aho tsy mbola lasa ka tsy ho eto intsony.

Vakio ny toko manontolo Salamo 39