Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 38:10-22 Malagasy Bible (MG1865)

10. Miemponempona ny foko, lany ny heriko, ary ny fahiratan'ny masoko aza efa nandao ahy.

11. Ny olo-malalako sy ny sakaizako aza efa manalavitra ny fahoriako; Ary ny havako mijanona eny lavitra eny.

12. Mamela-pandrika izay mitady ny aiko; ary izay mitady hanimba ahy miteny fanimbana,sy misaim-pitaka mandrakariva.

13. Fa izaho dia tahaka ny marenina ka tsy mandre, ary tahaka ny moana ka tsy mahaloa-bava;

14. Eny, dia tahaka ny olona tsy mandre, sady tsy misy teny havaly eo am-bavany.

15. Fa ianao no antenaiko Jehovah ô; ianao no hamaly, ry Tompo Andriamanitra ô.

16. Fa hoy izaho: sao dia hifalian'izy ireo anie aho;ary raha mibolisatra ny tongotro, dia hirehareha amiko izy.

17. Fa efa ho lavo aho, ary ny fanaintainako dia tsaroako mandrakariva.

18. Fa ny heloko no hambarako; matahotra aho noho ny fahotako.

19. Fa ny fahavaloko velona ihany sady mahery; ary maro no mandrafy ahy tsy ahoan-tsy ahoana;

20. Ary mamaly ratsy ny soa izy ireo ka mandrafy ahy ho valin'ny fanarahako ny tsara.

21. Aza mahafoy ahy,Jehovah ô; Ry Andriamanitro ô, aza manalavitra ahy.

22. Faingàna hamonjy ahy, ry Tompo, Mpamonjy ahy ô.

Vakio ny toko manontolo Salamo 38