Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 37:3-16 Malagasy Bible (MG1865)

3. Matokia an'i Jehovah ianao, ka manaova soa, dia honina amin'ny tany ianao ka ho faly amin'ny fahamarinana.

4. Ary miravoravoa amin'i Jehovah ianao, dia homeny anao izay irin'ny fonao.

5. Ankino amin'i Jehovah ny lalanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka.

6. Ary hampiseho ny fahamarinanao tahaka ny mazava Izy, ary ny rariny ho anao tahaka ny mitataovovonana.

7. Miantombena tsara miandry an'i Jehovah ianao ka manantenà Azy; Aza tezitra amin'izay ambinina amin'ny lalany dia amin'izay olona manao sain-dratsy.

8. Mitsahara amin'ny fahatezerana, ary mahafoiza ny fahavinirana; aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao; fa ratsy no hiafaran'izany.

9. Fa ny mpanao ratsy hofongoro-na; Ary izay miandry an'i Jehovah no handova ny tany.

10. Fa rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy; Handinika ny fonenany ianao, fa tsy ho hita izy.

11. Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin'ny haben'ny fiadanana.

12. Ny ratsy fanahy manao hevi-dratsy hamelezana ny maraina ka mihidy vazana aminy.

13. Ny tompo mihomehy azy, satria hitany fa ho tonga ny androny.

14. Ny ratsy fanahy nampitsoaka ny sabany ka nanenjana ny tsipìkany mba hampikarapoka ny ory sy ny malahelo, ary hamono ny mahitsy lalana.

15. Ny sabany hitsatoka amin'ny fony ihany, ary ny tsipìkany ho tapatapaka.

16. Tsara lavitra ny kely ananan'ny ratsy fanahy maro.

Vakio ny toko manontolo Salamo 37