Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 37:20-35 Malagasy Bible (MG1865)

20. Fa ny ratsy fanahy haringana, ary ny fahavalon'i Jehovah ho tahaka ny voninahitry ny saha; Ho levona izy, eny, ho levon-ko setroka izy.

21. Misambotra ny ratsy fanahy, nefa tsy manohitra; Fa ny marina kosa mamindra fo ka manome.

22. Fa izay tahìny no handova ny tany; Ary izay ozoniny kosa no hofongorana.

23. Avy amin'i Jehovah no mahalavorary ny dian'ny olona, ka Izy no mankasitraka ny lalany.

24. Na dia lavo aza izy, tsy dia mikarapoka, fa Jehovah no mitantana azy.

25. Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra ankehitriny; Fa tsy mbola hitako mangataka hanina.

26. Miantra mandrakariva ireny ka mampisambotra; ary ny taranany hotahina.

27. Halaviro ny ratsy, ka manaova soa. Dia honina mandrakizay ianao.

28. Fa Jehovah tia rariny sady tsy hahafoy ny olony masina; Harovana mandrakizay ireo; Fa taranaky ny ratsy fanahy hofongorana,

29. Ny marina handova ny tany Ka honina ao aminy mandrakizay

30. Ny vavan'ny marina miresaka fahendrena, Ary ny lelany manambara ny rariny.

31. Ny lalàn'Andriamaniny no ao am-pony; Tsy mba ho solafaka ny diany.

32. Mitsikilo ny marina ny ratsy fanahy ka mitady hahafaty azy.

33. Jehovah tsy hahafoy azy eo an-tanany. Na hanameloka azy, raha tsaraina izy.

34. Miandrasa an'i Jehovah, ka tandremo ny lalàny, dia hanandratra anao handova ny tany Izy; Ho faly hahita ny hamongorana ny ratsy fanahy ianao.

35. Efa hitako ny ratsy fanahy, fa loza loatra izy, ary nandrahaka tahaka ny hazo maitso maniry ho azy;

Vakio ny toko manontolo Salamo 37