Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 36:1-10 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida, mpanompon'i Jehovah. Ny ota milaza ato am-poko ny amin'ny ratsy fanahy hoe: tsy misy fahatahorana an'Andriamanitra ao aminy.

2. Fa miarahaba tena izy ny amin'ny tsy hahitana ny helony ka hankahalana azy.

3. Ny tenin'ny vavany dia faharatsiana sy fitaka; efa nihadala izy ka nitsahatra tsy hanao soa.

4. Faharatsiana no saintsaininy eo am-pandriany; mitsangana eo amin'ny lalana tsy mety izy; ny ratsy tsy mba laviny akory.

5. Jehovah ô, mipaka amin'ny lanitra ny famindram-ponao; mihatra amin'ny rahona ny fahamarinanao.

6. Ny fahamarinanao dia tahaka ny tendrombohitra avo dia avo; ny fitsaranao dia toy ny lalina indrindra; ny olona sy ny biby dia samy vonjenao, Jehovah ô,

7. Endrey ny hatsaran'ny famindram-ponao, Andriamanitra ô! ka mialoka eo amin'ny aloky ny elatrao ny zanak'olombelona.

8. Voky ny matavy ao an-tranonao izy; ary ny ony fampifalianao no ampisotroanao azy.

9. Fa ao aminao no misy loharanon'aina; ny fahazavanao no hahitanay fahazavana.

10. Ampahareto amin'izay mahalala Anao ny famindram-ponao, ary ny fahamarinanao amin'ny mahitsy fo.

Vakio ny toko manontolo Salamo 36