Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 35:7-13 Malagasy Bible (MG1865)

7. Fa tsy ahoan-tsy ahoana no nanaovany fandri-totofana hahazoany ahy; tsy ahoan-tsy ahoana no nandavahany hamandrihany ny aiko.

8. Aoka ny fandringanana ho tonga tampoka aminy; ary aoka hahazo azy ny fandrika harato nafeniny, ka ho latsaka ao amin'izany fandringanana izany indrindra izy.

9. Fa ny fanahiko kosa hifaly amin'i Jehovah sy ho ravoravo amin'ny famonjeny.

10. Ny taolako rehetra hanao hoe: Jehovah ô, iza no tahaka Anao, Izay manafaka ny ory amin'izay tsy tohany, eny, ny ory sy ny malahelo amin'izay mamabo azy?

11. Mitsangana ny vavolombelona mampidi-doza; ka izay tsy fantatro no anadinany ahy.

12. Mamaly ratsy ahy ho solon'ny soa izy, ka mamoy malala ny fanahiko.

13. Ary ny amiko, raha narary izy ireo, dia lamba fisaonana no nitafiako; nampahory ny tenako tamin'ny ny fifadian-kanina aho; ary ny fivavako nody tao an-tratrako.

Vakio ny toko manontolo Salamo 35