Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 35:12-20 Malagasy Bible (MG1865)

12. Mamaly ratsy ahy ho solon'ny soa izy, ka mamoy malala ny fanahiko.

13. Ary ny amiko, raha narary izy ireo, dia lamba fisaonana no nitafiako; nampahory ny tenako tamin'ny ny fifadian-kanina aho; ary ny fivavako nody tao an-tratrako.

14. Toy ny nisy nanjo ny sakaizako na ny rahalahiko no nandehanako; nitanondrika tamin'alahelo toy ny fisaona reny aho.

15. Nefa nony ho lavo kosa aho, dia faly izy ireo ka niangona;olona faraidina no nitangorona hamely ahy, nefa tsy fantatro; namiravira izy ka tsy mba nitsahatra;

16. Naman'ny olon-dratsy manendrikendrika ho enti-mila sitraka izy ka nihidy vazana tamiko.

17. Ry Tompo ô, mandra-pahoviana no hijerenao ? Avereno ny fanahiko ho afaka amin'ny fandringanany, ny hany malalako ho afaka amin'ny liona tanora.

18. Hisaotra Anao eo amin'ny fiangonana lehibe aho; hidera Anao eo afovoan'ny olona maro aho.

19. Aoka tsy hifalian'izay mandrafy ahy foana aho; ary aoka tsy hami-maso izay mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana.

20. Fa tsy fihavanana no lazainy; fa mamorom-pitaka izy hamelezany izay mibonaika ambonin'ny tany.

Vakio ny toko manontolo Salamo 35