Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 35:11-28 Malagasy Bible (MG1865)

11. Mitsangana ny vavolombelona mampidi-doza; ka izay tsy fantatro no anadinany ahy.

12. Mamaly ratsy ahy ho solon'ny soa izy, ka mamoy malala ny fanahiko.

13. Ary ny amiko, raha narary izy ireo, dia lamba fisaonana no nitafiako; nampahory ny tenako tamin'ny ny fifadian-kanina aho; ary ny fivavako nody tao an-tratrako.

14. Toy ny nisy nanjo ny sakaizako na ny rahalahiko no nandehanako; nitanondrika tamin'alahelo toy ny fisaona reny aho.

15. Nefa nony ho lavo kosa aho, dia faly izy ireo ka niangona;olona faraidina no nitangorona hamely ahy, nefa tsy fantatro; namiravira izy ka tsy mba nitsahatra;

16. Naman'ny olon-dratsy manendrikendrika ho enti-mila sitraka izy ka nihidy vazana tamiko.

17. Ry Tompo ô, mandra-pahoviana no hijerenao ? Avereno ny fanahiko ho afaka amin'ny fandringanany, ny hany malalako ho afaka amin'ny liona tanora.

18. Hisaotra Anao eo amin'ny fiangonana lehibe aho; hidera Anao eo afovoan'ny olona maro aho.

19. Aoka tsy hifalian'izay mandrafy ahy foana aho; ary aoka tsy hami-maso izay mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana.

20. Fa tsy fihavanana no lazainy; fa mamorom-pitaka izy hamelezany izay mibonaika ambonin'ny tany.

21. Dia mitanatana vava amiko izy ka manao hoe: Hià! sakoa izay! efa hita'ny masonay.

22. Efa hitanao, Jehovah ô, ka aza manentsin-tadiny; ry Tompo ô, aza manalavitra ahy.

23. Mahatsiarova, ka mifohaza ho amin'ny fitsaràna ahy, O Andriamanitro sy Tompoko! mifohaza ho amin'ny adiko.

24. Tsarao aho, Jehovah Andriamanitro ô, araka ny fahamarinanao; ary aoka tsy hifalian'ireo aho.

25. Aoka tsy hanao anakampo hoe izy: Hià! faly izahay! aoka tsy hanao hoe izy: efa natelinay izy.

26. Aoka ho menatra sy hangaihay avokoa izay mifaly amin'ny manjo ahy; aoka hitafy henatra sy fahafaham-baraka izay mirehareha amiko.

27. Aoka hihoby sy hifaly izay mankasitraka ny fahamarinako; ary aoka izy hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Jehovah, Izay mankasitraka ny fiadanan'ny mpanompony.

28. Ary ny lelako hilaza ny fahamarinanao; ny fiderana Anao no hataoko mandrakariva.

Vakio ny toko manontolo Salamo 35