Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 34:5-18 Malagasy Bible (MG1865)

5. Mijery Azy ireo ka miramirana, sady tsy mangaihay ny tavany.

6. Ity olo-mahantra ity niantso, dia nihaino Jehovah ka namonjy azy tamin'ny fahoriany rehetra.

7. Ny Anjelin'i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy.

8. Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy.

9. Matahora an'i Jehovah, ianareo olony masina;fa tsy hanan-java-mahory izay matahotra Azy.

10. Na dia ny liona tanora aza tsy ampy hanina ka noana. Fa izay mitady an'i Jehovah kosa dia tsy ho orin-java-tsoa akory.

11. Avia, anaka, mihainoa ahy; ny fahatahorana an'i Jehovah no hampianariko anareo.

12. Na iza na iza ianao no maniry fiainana ka tia andro maro hahitana ny soa,

13. Dia arovy ny lelanao amin'ny ratsy ary ny molotrao mba tsy hiteny fitaka.

14. Halaviro ny ratsy, manaova soa; mitadiava fihavanana, ka araho izany.

15. Ny mason'i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.

16. Ny tavan'i Jehovah tezitra amin'ny mpanao ratsy kosa, mba hofongorany tsy ho eo amin'ny tany ny fahatsiarovana azy.

17. Mitaraina ny marina, ary mihaino azy Jehovah ka mamonjy azy amin'ny fahoriany rehetra.

18. Akaikin'izay manana fo mangorakoraka Jehovah, ary mamonjy izay torororo fanahy.

Vakio ny toko manontolo Salamo 34