Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 34:15-22 Malagasy Bible (MG1865)

15. Ny mason'i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.

16. Ny tavan'i Jehovah tezitra amin'ny mpanao ratsy kosa, mba hofongorany tsy ho eo amin'ny tany ny fahatsiarovana azy.

17. Mitaraina ny marina, ary mihaino azy Jehovah ka mamonjy azy amin'ny fahoriany rehetra.

18. Akaikin'izay manana fo mangorakoraka Jehovah, ary mamonjy izay torororo fanahy.

19. Maro ny fahorian'ny marina; nefa Jehovah manafaka azy amin'izany rehetra izany.

20. Miaro ny taolany rehetra izy; tsy hisy ho tapaka ireny na dia iray akory aza.

21. Hahafaty ny ratsy fanahy ny fahoriana; ary ny mankahala ny olo-marina hohelohina.

22. Fa Jehovah manavotra ny fanahin'ny mpanompony, ka tsy mba hisy hohelohina izay rehetra mialoka aminy.

Vakio ny toko manontolo Salamo 34