Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 34:1-11 Malagasy Bible (MG1865)

1. Nataon'i Davida tamin'izy nody adala teo anatrehan'i Abimeleka, dia noroahiny ka lasa nandeha. Hisaotra an'i Jehovah lalandava aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy.

2. Jehovah no reharehan'ny fanahiko; hahare izany ny mpandefitra ka ho fay.

3. Miaraha mankalaza an'i Jehovah amiko; ary aoka hiara-manandratra ny anarany isika.

4. Mitady an'i Jehovah aho, dia mamaly ahy Izy ka manafaka ahy amin'ny tahotro rehetra.

5. Mijery Azy ireo ka miramirana, sady tsy mangaihay ny tavany.

6. Ity olo-mahantra ity niantso, dia nihaino Jehovah ka namonjy azy tamin'ny fahoriany rehetra.

7. Ny Anjelin'i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy.

8. Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy.

9. Matahora an'i Jehovah, ianareo olony masina;fa tsy hanan-java-mahory izay matahotra Azy.

10. Na dia ny liona tanora aza tsy ampy hanina ka noana. Fa izay mitady an'i Jehovah kosa dia tsy ho orin-java-tsoa akory.

11. Avia, anaka, mihainoa ahy; ny fahatahorana an'i Jehovah no hampianariko anareo.

Vakio ny toko manontolo Salamo 34