Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 31:5-18 Malagasy Bible (MG1865)

5. Eo an-tananao no atolotro ny fanahiko; fa efa nanavotra ahy Hianao, Jehovah ô, Andriamanitry ny fahamarinana.

6. Halako izay mivavaka amin'ny sampy; fa Jehovah kosa no itokiako.

7. Hifaly sy ho ravoravo amin'ny famindram-ponao aho; fa nahita ny fahantrako Hianao, ka nahafantatra ny fahorian'ny fanahiko,

8. ary tsy mba nangeja ahy teo an-tànan'ny fahavalo; fa efa nampitoetra ny tongotro eo amin'ny malalaka Hianao.

9. Mamindrà fo amiko, Jehovah ô, fa azom-pahoriana aho; simban'alahelo ny masoko sy ny fanahiko ary ny tenako.

10. Fa lanin'alahelo ny aiko, sady lanim-pisentoana ny taonako; Tsy manan-kery aho noho ny heloko, ary efa lany ny taolako.

11. Noho ny ataon'ny fahavaloko rehetra dia efa tonga fandatsa aho, eny, na dia amin'ny namako aza,sady atahoran'ny olom-pantatro aho; izay mahita ahy eny ivelany mandositra ahy.

12. Efa hadino tahaka ny olona maty izay tsy tsaroana intsony aho; tahaka ny vilany ariana aho.

13. Fa mandre ny endrikendriky ny maro aho; misy fampangorohoroana manodidina, raha miara-mioko hamely ahy izy, ka miray tetika hahafaty ny aiko.

14. Nefa izaho matoky Anao, Jehovah ô; hoy izaho: Andriamanitro Hianao.

15. Eo an-tananao ny androko; Vonjeo aho tsy ho azon'ny tanan'ny fahavaloko sy izay manenjika ahy.

16. Ampamirapirato amin'ny mpanomponao ny tavanao; vonjeo amin'ny famindram-ponao aho.

17. Aoka tsy ho menatra aho, Jehovah ô, satria miantso Anao; fa aoka kosa ho menatra ny ratsy fanahy ka hangina any amin'ny fiainan-tsi-hita.

18. Aoka hangina ny molotra mandainga, izay miteny sahisahy hanohitra ny marina, amin'ny avonavona sy ny fanamavoana.

Vakio ny toko manontolo Salamo 31