Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 31:15-24 Malagasy Bible (MG1865)

15. Eo an-tananao ny androko; Vonjeo aho tsy ho azon'ny tanan'ny fahavaloko sy izay manenjika ahy.

16. Ampamirapirato amin'ny mpanomponao ny tavanao; vonjeo amin'ny famindram-ponao aho.

17. Aoka tsy ho menatra aho, Jehovah ô, satria miantso Anao; fa aoka kosa ho menatra ny ratsy fanahy ka hangina any amin'ny fiainan-tsi-hita.

18. Aoka hangina ny molotra mandainga, izay miteny sahisahy hanohitra ny marina, amin'ny avonavona sy ny fanamavoana.

19. Akory re ny haben'ny zava-tsoanao voarakitrao ho an'ny matahotra Anao! dia izay nataonao teo anatrehan'ny zanak'olombelona ho an'izay mialoka aminao!

20. Hanafina azy ao amin'ny fiafenana eo anatrehanao Hianao, mba tsy ho tratry ny teti-dratsy ataon'ny olona izy; hampiery azy ao an-tranonao Hianao, mba tsy ho azon'ny lela mifanditra izy.

21. Isaorana anie Jehovah; fa nataony mahagaga ny famindram-pony tamiko tao an-tanàna mimanda.

22. Fa hoy izaho tamin'ny fahatairako; voafongotra tsy ho eo imasonao aho; kanjo nihaino ny feon'ny fifonako ihany Hianao, raha nitaraina taminao aho.

23. Tiava an'i Jehovah, ry olony masina rehetra; miaro ny marina Jehovah, ary mamaly dia mamaly ny mpiavonavona Izy.

24. Mahereza, ary aoka hatanjaka ny fonareo, dia ianareo rehetra izay manantena an'i Jehovah.

Vakio ny toko manontolo Salamo 31