2. Jehovah Andriamanitro ô, nitaraina taminao aho, dia nahasitrana ahy Hianao.
3. Jehovah ô, efa nampakatra ny fanahiko avy tany amin'ny fiainan-tsi-hita Hianao; efa nampody ny aiko Hianao, mba tsy ho isan'izay midina any an-davaka aho.
4. Mankalazà an'i Jehovah, ry olony masina, ka miderà ny anarany masina.
5. Fa indray mipi-maso ihany ny fahatezerany; nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin'ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina; Fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.
6. Ary hoy izaho, raha mbola niadana: tsy hangozohozo mandrakizay aho.
7. Jehovah ô, noho ny fankasitrahanao dia nampitoerinao mafy ny tendrombohitro; nanafina ny tavanao Hianao, dia ory aho.
8. Hianao no nantsoiko, Jehovah ô; ary Jehovah no nifonako hoe:
9. Inona no soa azo amin'ny rako sy ny hidinako any an-davaka? Hidera Anao va ny vovoka? Hanambara ny fahamarinanao va izany?
10. Mihainoa, Jehovah ô, ka mamindrà fo amiko; Jehovah ô, aoka ho Mpamonjy ahy Hianao.
11. Efa nampody ny fisaonako ho fandihizana Hianao; efa nanaisotra ny lamba fisaonako Hianao ka nampisikina ahy fifaliana,
12. Mba hankalazan'ny fanahiko Anao ka tsy hangina. Jehovah Andriamanitro ô, hidera Anao mandrakizay aho.