Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 30:1-7 Malagasy Bible (MG1865)

1. Salamo. Fihirana tamin'ny nitokanana ny trano. Nataon'i Davida. Hanandratra Anao aho, Jehovah ô; fa nanintona ahy niakatra Hianao, ka tsy nataonao ho fifalian'ny fahavaloko aho.

2. Jehovah Andriamanitro ô, nitaraina taminao aho, dia nahasitrana ahy Hianao.

3. Jehovah ô, efa nampakatra ny fanahiko avy tany amin'ny fiainan-tsi-hita Hianao; efa nampody ny aiko Hianao, mba tsy ho isan'izay midina any an-davaka aho.

4. Mankalazà an'i Jehovah, ry olony masina, ka miderà ny anarany masina.

5. Fa indray mipi-maso ihany ny fahatezerany; nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin'ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina; Fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.

6. Ary hoy izaho, raha mbola niadana: tsy hangozohozo mandrakizay aho.

7. Jehovah ô, noho ny fankasitrahanao dia nampitoerinao mafy ny tendrombohitro; nanafina ny tavanao Hianao, dia ory aho.

Vakio ny toko manontolo Salamo 30