Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 29:6-11 Malagasy Bible (MG1865)

6. Dia mampitsambikina azy tahaka ny zanak'omby Izy, Libanona sy Siriona dia tahaka ny zanaky ny ombimanga.

7. Ny feon'i Jehovah mampisaraka ny lelafo;

8. Ny feon'i Jehovah mampihorohoro ny efitra; Jehovah mampihorohoro ny efitr'i Kadesy.

9. Ny feon'i Jehovah mampiteraka ny dieravavy, ary mivofy ny ala be; ary ny ao an-tempoliny samy manao hoe: Voninahitra e!

10. Jehovah nipetraka teo ambonin'ny safo-drano; eny, Jehovah mipetraka ho Mpanjaka mandrakizay.

11. Jehovah hanome hery ny olony; Jehovah hitahy ny olony amin'ny fiadanana.

Vakio ny toko manontolo Salamo 29