Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 28:3-9 Malagasy Bible (MG1865)

3. Aza atao indray manakipaka amin'ny ratsy fanahy sy ny mpanao meloka aho, fa ireny dia milaza fihavanana amin'ny namany, kanjo ratsy no ao am-pony.

4. Manomeza azy araka ny asany sy ny faharatsian'ny ataony; eny, manomeza azy araka ny vitan'ny tànany, valio izy araka izay iendrehany.

5. Fa tsy mihevitra ny asan'i Jehovah, na ny vitan'ny tànany, izy, dia horavan'i Jehovah izy, fa tsy haoriny.

6. Isaorana anie Jehovah, fa efa nihaino ny feon'ny fifonako Izy.

7. Jehovah no heriko sy ampingako; izy no nitokian'ny foko, ka voavonjy aho; dia mifaly ny foko, ka ny hirako no hiderako Azy.

8. Jehovah no heriny, ary Izy no fiarovana mafy hamonjena ny voahosony.

9. Vonjeo ny olonao, ary tahio ny lovanao; andraso izy, ka tezao mandrakizay.

Vakio ny toko manontolo Salamo 28