Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 25:10-22 Malagasy Bible (MG1865)

10. Ny lalan'i Jehovah rehetra dia famindram-po sy fahamarinana amin'izay mitandrina ny fanekeny sy ny teni-vavolombelony.

11. Noho ny anaranao, Jehovah ô, dia mamelà ny heloko, fa lehibe izany.

12. Iza no lehilahy matahotra an'i Jehovah? Izy no hampianariny izay lalana tokony hofidiny.

13. Ny fanahiny hitoetra amin'ny soa; ary ny taranany handova ny tany.

14. Ny fisainan'i Jehovah asehony amin'izay matahotra Azy, ary ny fanekeny no hampahafantariny azy.

15. Ny masoko mijery an'i Jehovah mandrakariva; fa Izy no nanafaka ny tongotro tamin'ny fandrika harato.

16. Todiho aho, ka amindrao fo, fa irery aho ka mahantra.

17. Ny fahorian'ny foko efa mihalehibe; afaho amin'ny fahatereko aho.

18. Jereo ny fahoriako sy ny mavesatra amiko, ka mamelà ny fahotako rehetra.

19. Jereo ny fahavaloko, fa maro izy; ary loza ny fankahalàny ahy.

20. Arovy ny fanahiko, ka vonjeo aho; aoka tsy ho menatra aho, fa mialoka aminao.

21. Aoka ny tsi-fisian-tsiny sy ny fahitsiana no hiaro ahy; fa miandry Anao aho.

22. Andriamanitra ô, afaho ny Isiraely, amin'ny fahoriany rehetra.

Vakio ny toko manontolo Salamo 25