Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 22:5-11 Malagasy Bible (MG1865)

5. Hianao no nitarainany, ka afaka izy; Hianao no nitokiany, ka tsy menatra izy.

6. Ary izaho dia olitra, fa tsy olona, fandatsan'olona sy fanevatevam-bahoaka.

7. Izay rehetra mahita ahy dia manaraby ahy; manondro molotra izy sady mihifikifi-doha ka manao hoe:

8. Ankino amin'i Jehovah, dia aoka Izy hamonjy azy; eny, aoka Izy hanafaka azy, raha mankasitraka azy Izy.

9. Fa Hianao no nampivoaka ahy avy tao an-kibo; nampandry ahy fahizay ianao, fony aho mbola nampinonoin'ny reniko;

10. Nankinina taminao hatrany am-bohoka aho; hatrany an-kibon-dreniko dia Andriamanitro Hianao.

11. Aza manalavitra ahy Hianao, fa akaiky ny fahoriana, sady tsy misy mpamonjy.

Vakio ny toko manontolo Salamo 22