Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 22:1-7 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ho an'ny mpiventy hira. Alaieleth-hasahara. Salamo nataon'i Davida. Andriamanitra ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy ahy Hianao? Lavitra ny famonjena ahy ny tenin'ny fitarainako.

2. Andriamanitro ô, miantso aho nony andro, nefa tsy mamaly Hianao; ary nony alina, nefa tsy mahita fiononana aho.

3. Kanefa masina Hianao, Ry mipetraka eo ambonin'ny fideran'ny Isiraely.

4. Hianao no nitokian'ny razanay; Natoky izy, ka namonjy azy Hianao.

5. Hianao no nitarainany, ka afaka izy; Hianao no nitokiany, ka tsy menatra izy.

6. Ary izaho dia olitra, fa tsy olona, fandatsan'olona sy fanevatevam-bahoaka.

7. Izay rehetra mahita ahy dia manaraby ahy; manondro molotra izy sady mihifikifi-doha ka manao hoe:

Vakio ny toko manontolo Salamo 22