Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 21:6-13 Malagasy Bible (MG1865)

6. Fa nataonao ho fitahiana mandrakizay izy; ampifalinao indrindra amin'ny tavanao izy.

7. Fa ny mpanjaka matoky an'i Jehovah, ary noho ny famindram-pon'ny Avo Indrindra dia tsy hangozohozo izy.

8. Ho azon'ny tananao ny fahavalonao rehetra; eny, ho azon'ny tananao ankavanana ny mankahala anao;

9. Hataonao tahaka ny fatana misy afo mirehitra izy amin'ny andro hisehoanao, Jehovah handany azy amin'ny fahatezerany, ary handevona azy ny afo.

10. Ny zanany haringanao tsy ho eo amin'ny tany, ary ny taranany tsy ho eo amin'ny zanak'olombelona;

11. Fa nikasa hanisy ratsy anao izy, ka namoron-kevi-dratsy fa tsy nahefa.

12. Fa hampiamboho azy ianao; ny tsipìkanao no ikendrenao ny tavany.

13. Misandrata amin'ny herinao, Jehovah ô, hihira sy hankalaza ny herinao izahay.

Vakio ny toko manontolo Salamo 21