Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 20:4-9 Malagasy Bible (MG1865)

4. Hanome anao araka ny fonao anie Izy ary hahatanteraka ny fisainanao rehetra.

5. Aoka hihoby noho ny famonjena azonao izahay, ary amin'ny anaran'Andriamanitray no hanangananay faneva; ho tanterahin'i Jehovah anie ny angatahinao rehetra.

6. Ankehitriny dia fantatro fa Jehovah mamonjy ny voahosony; hamaly azy avy amin'ny lanitry ny fahamasinany Izy amin'ny herin'ny famonjen'ny tànany ankavanana.

7. Ny sasany mitoky amin'ny kalesy, ary ny sasany amin'ny soavaly; Fa raha izahay kosa, dia ny anaran'i Jehovah Andriamanitray no hoderainay.

8. Ireo dia reraka sady lavo; fa izahay kosa efa mitsangana sy mijoro,

9. Jehovah ô, vonjeo ny mpanjaka; hamaly anay anie Izy amin'izay andro iantsoanay Azy.

Vakio ny toko manontolo Salamo 20