Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 20:3-9 Malagasy Bible (MG1865)

3. Hahatsiaro ny fanatitra hohaninao rehetra anie Izy, ary hankasitraka ny fanatitra doranao.

4. Hanome anao araka ny fonao anie Izy ary hahatanteraka ny fisainanao rehetra.

5. Aoka hihoby noho ny famonjena azonao izahay, ary amin'ny anaran'Andriamanitray no hanangananay faneva; ho tanterahin'i Jehovah anie ny angatahinao rehetra.

6. Ankehitriny dia fantatro fa Jehovah mamonjy ny voahosony; hamaly azy avy amin'ny lanitry ny fahamasinany Izy amin'ny herin'ny famonjen'ny tànany ankavanana.

7. Ny sasany mitoky amin'ny kalesy, ary ny sasany amin'ny soavaly; Fa raha izahay kosa, dia ny anaran'i Jehovah Andriamanitray no hoderainay.

8. Ireo dia reraka sady lavo; fa izahay kosa efa mitsangana sy mijoro,

9. Jehovah ô, vonjeo ny mpanjaka; hamaly anay anie Izy amin'izay andro iantsoanay Azy.

Vakio ny toko manontolo Salamo 20