Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 2:1-7 Malagasy Bible (MG1865)

1. Nahoana no mitabataba ny jentilisa, ary misaina anoano foana ny firenena?

2. Ireo mpanjakan'ny tany mitsangana, Ary ny mpanapaka miara-mioko hanohitra an'i Jehovah sy ny Mesiany ka manao hoe:

3. "Aoka hotosantsika ny famatorany, ka hariantsika hiala amintsika ny famehezany."

4. Izay mipetraka any an-danitra mihomehy, ny Tompo maneso ireo.

5. Dia hiteny azy amin'ny fahavinirany Izy ka hampangorohoro azy amin'ny fahatezerany hoe:

6. "Izaho kosa efa nanendry ny Mpanjakako Tambonin'i Ziona, tendrombohitro masina."

7. "Hilaza zava-boatendry Aho; Jehovah nilaza tamiko hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka anao androany.

Vakio ny toko manontolo Salamo 2