Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 19:10-14 Malagasy Bible (MG1865)

10. Irina noho ny volamena ireny, eny, noho ny tena volamena betsaka aza; ary mamy noho ny tantely, eny, noho ny tantely mitete avy amin'ny tohotra.

11. Ary ny mpanomponao dia hazavain'ireny; amin'ny fitandremana azy misy valiny lehibe.

12. Raha ny fahatsontsana, dia iza re no mahalala izany? ataovy tsy manan-tsiny aho ny amin'izay ota tsy fantatra.

13. Arovy ny mpanomponao tsy ho azon'ny ota sahisahy; aoka tsy hanapaka ahy izany; dia ho marina tokoa aho ka tsy hanan-tsiny ny amin'izay fahadisoana lehibe.

14. Aoka ny tenin'ny vavako sy ny fisainan'ny foko samy hankasitrahana eo imasonao, Jehovah ô, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy.

Vakio ny toko manontolo Salamo 19