Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 18:47-50 Malagasy Bible (MG1865)

47. Dia Andriamanitra, Izay manao famaliana ho ahy ka mampanaiky ny firenena ahy.

48. Mamonjy ahy amin'ny fahavaloko Izy; eny, manandratra ahy ho ambonin'izay mitsangana hanohitra ahy Hianao, ary mamonjy ahy amin'ny olon-dozabe.

49. Koa izany no hiderako Anao eny amin'ny firenen-tsamy hafa, Jehovah ô, sy hankalazako ny anaranao.

50. Manao famonjen-dehibe ho an'ny mpanjaka voatendriny Izy, ary mamindra fo amin'ny voahosony, dia amin'i Davida sy ny taranany mandrakizay.

Vakio ny toko manontolo Salamo 18