Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 18:31-37 Malagasy Bible (MG1865)

31. Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah? ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika?

32. Izany Andriamanitra izany no mampisikina hery ahy sy manamarina ny alehako.

33. Manao ny tongotro ho tahaka ny an'ny dieravavy Izy ka mampitoetra ahy eo amin'ny fitoerako avo.

34. Mampianatra ny tanako hiady Izy, ka mahahenjana tsipìka varahina ny sandriko.

35. Omenao ahy ny ampingan'ny famonjenao; ny tananao ankavanana no manohana ahy, ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy.

36. Halalahinao ny lalana hodiaviko, ka tsy mangovitra ny hato-tongotro.

37. Manenjika ny fahavaloko aho ka mahatratra azy; ary tsy mba miverina aho mandra-pahalàny ritrany.

Vakio ny toko manontolo Salamo 18