Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 18:27-36 Malagasy Bible (MG1865)

27. Fa Hianao mamonjy ny olona ory; ary ny maso miandranandrana kosa aetrinao.

28. Fa Hianao mampirehitra ny jiroko; Jehovah Andriamanitro no mampahazava ny fahamaizinako.

29. Fa Hianao no ahazoako mitsarapaka hamely ny miaramila iray toko; ary Andriamanitro no ahazoako mitsambikina mihoatra ny manda.

30. Raha ny amin'Andriamanitra, dia marina ny lalany; ny tenin'i Jehovah dia voazaha toetra amin'ny memy; Jehovah no ampingan'izay rehetra mialoka aminy.

31. Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah? ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika?

32. Izany Andriamanitra izany no mampisikina hery ahy sy manamarina ny alehako.

33. Manao ny tongotro ho tahaka ny an'ny dieravavy Izy ka mampitoetra ahy eo amin'ny fitoerako avo.

34. Mampianatra ny tanako hiady Izy, ka mahahenjana tsipìka varahina ny sandriko.

35. Omenao ahy ny ampingan'ny famonjenao; ny tananao ankavanana no manohana ahy, ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy.

36. Halalahinao ny lalana hodiaviko, ka tsy mangovitra ny hato-tongotro.

Vakio ny toko manontolo Salamo 18