Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 18:19-31 Malagasy Bible (MG1865)

19. Dia nitondra ahy ho any amin'ny malalaka Izy; namonjy ahy Izy, satria tiany aho.

20. Nanisy soa ahy araka ny fahamarinako Jehovah; araka ny fahadiovan'ny tanako no namaliany ahy.

21. Fa nitandrina ny lalan'i Jehovah aho, ka tsy mba nanao ratsy hialana tamin'Andriamanitro;

22. Ny fitsipiny rehetra dia teo anatrehako, ary ny lalàny tsy mba nampialaiko tamiko;

23. Tsy nanan-tsiny taminy aho sady niaro tena tsy ho azon'ny fahotako;

24. Koa namaly ahy araka ny fahamarinako Jehovah, dia araka ny fahadiovan'ny tanako teo imasony.

25. Ny olona tsara no isehoanao fa tsara; ny tena olo-marina no isehoanao fa marina;

26. Ny madio no isehoanao fa madio; ary ny mpiolakolaka kosa no isehoanao fa lalin-tsaina.

27. Fa Hianao mamonjy ny olona ory; ary ny maso miandranandrana kosa aetrinao.

28. Fa Hianao mampirehitra ny jiroko; Jehovah Andriamanitro no mampahazava ny fahamaizinako.

29. Fa Hianao no ahazoako mitsarapaka hamely ny miaramila iray toko; ary Andriamanitro no ahazoako mitsambikina mihoatra ny manda.

30. Raha ny amin'Andriamanitra, dia marina ny lalany; ny tenin'i Jehovah dia voazaha toetra amin'ny memy; Jehovah no ampingan'izay rehetra mialoka aminy.

31. Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah? ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika?

Vakio ny toko manontolo Salamo 18