Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 18:14-23 Malagasy Bible (MG1865)

14. Dia nandefa ny zana-tsipìkany Izy ka nampiely ny fahavaloko. Ary nampandeha helatra be ka nampifanaritaka azy.

15. Dia hita ny mason-drano, ary niseho ny fanambanin'ny tany noho ny teny mafy nataonao, Jehovah ô, noho ny fifofofofon'ny fofonain'ny vavoronao.

16. Naninjitra ny tanany avy tany ambony Izy ka nandray ahy; nanintona ahy niala tamin'ny rano be Izy;

17. Namonjy ahy tamin'ny fahavaloko mahery Izy sy tamin'izay nankahala ahy, satria tsy leoko ireny

18. Nisakana ahy tamin'ny andro nahitako loza ireny, nefa Jehovah no niseho ho Mpanohana ahy.

19. Dia nitondra ahy ho any amin'ny malalaka Izy; namonjy ahy Izy, satria tiany aho.

20. Nanisy soa ahy araka ny fahamarinako Jehovah; araka ny fahadiovan'ny tanako no namaliany ahy.

21. Fa nitandrina ny lalan'i Jehovah aho, ka tsy mba nanao ratsy hialana tamin'Andriamanitro;

22. Ny fitsipiny rehetra dia teo anatrehako, ary ny lalàny tsy mba nampialaiko tamiko;

23. Tsy nanan-tsiny taminy aho sady niaro tena tsy ho azon'ny fahotako;

Vakio ny toko manontolo Salamo 18