Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 16:3-11 Malagasy Bible (MG1865)

3. Ary ny amin'ny olona masina ambonin'ny tany, ireo no olona tsara laza izay sitrako indrindra.

4. Ho be ny fahorian'izay manova an'Andriamanitra hatakalony ny hafa. Tsy mba hanatitra ny fanati-drà aidiny aho, ary tsy mba hotononin'ny molotro ny anarany.

5. Jehovah no anjara lovako sy kapoakako; Hianao no mampaharitra ny anjarako.

6. Ny voafaritra ho anjarako dia eo amin'ny tany mahafinaritra; eny, manan-dova tsara aho.

7. Hisaotra an'i Jehovah Izay manome saina ahy aho; ary na amin'ny alina aza dia mananatra ahy ny foko.

8. Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah, fa eo an-kavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho.

9. Izany no ifalian'ny foko sy iravoravoan'ny fanahiko; eny, ny nofoko aza hitoetra tsy manana ahiahy.

10. Fa tsy ho foinao ho any amin'ny fiainan-tsi-hita ny aiko; tsy hamela ny Iray Masinao ho latsaka ao amin'ny lavaka Hianao.

11. Hampahafantatra ahy ny lalan'aina Hianao; fa havokisam-pifaliana no eo anatrehanao, ary fahafinaretana no eo an-tananao an-kavanana mandrakizay.

Vakio ny toko manontolo Salamo 16