Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 150:3-6 Malagasy Bible (MG1865)

3. Miderà Azy amin'ny fitsofana ny anjomara; Miderà Azy amin'ny valiha sy ny lokanga.

4. Miderà Azy amin'ny ampongatapaka sy ny dihy; Miderà Azy amin'ny zava-maneno tendrena sy ny sodina.

5. Miderà Azy amin'ny kipantsona maneno; Miderà Azy amin'ny kipantsona tsara feo.

6. Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an'i Jehovah. Haleloia.

Vakio ny toko manontolo Salamo 150