Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 149:1-9 Malagasy Bible (MG1865)

1. Haleloia. Mihirà fihiram-baovao ho an'i Jehovah, Ny fiderana Azy eo amin'ny fiangonan'ny olona masina.

2. Aoka ny Isiraely hifaly amin'ny Mpanao azy; Aoka ho finaritra amin'ny Mpanjakany ny zanak'i Ziona.

3. Aoka hidera ny anarany amin'ny dihy izy Sy hankalaza Azy amin'ny ampongatapaka sy ny lokanga.

4. Fa sitrak'i Jehovah ny olony; Ravahany famonjena ny mpandefitra.

5. Aoka ny olona masina hifaly amin'ny voninahitra; Aoka hihoby tsara eo am-pandriany izy.

6. Aoka hisy fanandratana an'Andriamanitra eo am-bavany Sy sabatra roa lela eny an-tànany,

7. Hamaliany ny Jentilisa Sy hamaizany ny firenena maro,

8. Hamatorany ireo mpanjakany amin'ny gadra, Sy ny olo-malazany amin'ny gadra vy.

9. Mba hanaovany ny fitsarana voasoratra: Voninahitry ny olony masina rehetra Izany. Haleloia.

Vakio ny toko manontolo Salamo 149