Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 147:13-20 Malagasy Bible (MG1865)

13. Fa manamafy ny hidim-bavahadinao Izy, Sady mitahy ny zanakao eo afovoanao.

14. Mahatonga ny fari-taninao ho fiadanana Izy; Vokisany vary tsara indrindra ianao.

15. Mampandeha ny didiny ho amin'ny tany Izy; Miely faingana dia faingana ny teniny.

16. Mandatsaka oram-panala tahaka ny landihazo Izy; Mampiely fanala tahaka ny lavenona Izy.

17. Mandatsaka ny havandrany ta-haka ny sombintsombin-javatra Izy; Iza no maharitra ny hatsiakany?

18. Mamoaka ny teniny Izy ka mampiempo ireny; Mampifofofofo ny rivony Izy, dia mandriaka ny rano.

19. Milaza ny teniny amin'i Jakoba Izy Ary ny didiny sy ny fitsipiny amin'Isiraely.

20. Tsy nanao toy izany tamin'izay firenena hafa Izy; Ary ny fitsipiny tsy mba fantatr'ireny. Haleloia.

Vakio ny toko manontolo Salamo 147