Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 147:1-7 Malagasy Bible (MG1865)

1. Haleloia; Fa tsara ny mihira ho an'Andriamanitsika; Eny, mamy sady mendrika ny fiderana.

2. Manangana an'i Jerosalema Jehovah; Mamory ny Isiraely voaroaka Izy.

3. Mahasitrana ny torotoro fo Izy Sy mamehy ny feriny.

4. Milaza ny isan'ny kintana Izy: Samy tononiny amin'ny anarany ireny rehetra ireny.

5. Lehibe ny Tompontsika sady be hery; Tsy hita lany ny fahalalany.

6. Manandratra ny mpandefitra Jehovah, Fa mampietry ny ratsy fanahy hatramin'ny tany.

7. Mihirà fiderana ho an'i Jehovah; Mankalazà an'Andriamanitsika amin'ny lokanga,

Vakio ny toko manontolo Salamo 147