Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 146:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Haleloia. Miderà an'i Jehovah, ry fanahiko.

2. Hidera an'i Jehovah aho, raha mbola miaina koa; Eny, hankalaza an'Andriamanitra aho, raha mbola velona koa.

3. Aza matoky ny lehibe, Na ny zanak'olombelona izay tsy mahavonjy.

4. Miala ny fofonainy, ka miverina ho amin'ny taniny izy; Ary amin'izay indrindra no hahafoanan'ny fikasany.

Vakio ny toko manontolo Salamo 146