Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 145:8-21 Malagasy Bible (MG1865)

8. Mamindra fo sy miantra Jehovah; Mahari-po sady be famindram-po Izy.

9. Manisy soa izao tontolo izao Jehovah; Ary ny fiantràny dia eny amin'ny asany rehetra.

10. Jehovah ô, midera Anao ny asanao rehetra; Ary ny olonao masina misaotra Anao.

11. Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy Sady miresaka ny herinao,

12. Mba hampahafantarina ny zanak'olombelona ny herinao Sy ny haben'ny voninahitry ny fanjakanao.

13. Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao, Ary hitatra amin'ny taranaka fara mandimby ny fanapahanao.

14. Jehovah manohana izay rehetra efa ho lavo Sy mampitraka izay rehetra mitanondrika.

15. Ny mason'izao rehetra izao miandrandra Anao, Ary Hianao manome azy ny haniny amin'ny fotoany.

16. Manokatra ny tananao Hianao Ka mahavoky soa ny zava-miaina rehetra.

17. Marina Jehovah amin'ny lalany rehetra, Sady mamindra fo amin'ny asany rehetra.

18. Jehovah dia eo akaikin'izay rehetra miantso Azy, Dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.

19. Hanefa ny irin'izay matahotra Azy Izy Ary hihaino ny fitarainany ka hamonjy azy.

20. Miaro izay rehetra tia Azy Jehovah; Fa ny ratsy fanahy rehetra kosa haringany.

21. Ny fiderana an'i Jehovah no hotenenin'ny vavako; Ary aoka ny nofo rehetra hankalaza ny anarany masina mandrakizay doria.

Vakio ny toko manontolo Salamo 145