Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 145:6-14 Malagasy Bible (MG1865)

6. Ny herin'ny asanao mahatahotra no hotenenin'ny olona; Ary ny fahalehibiazanao no holazaiko.

7. Hanonona ny fahatsiarovana ny haben'ny fahatsaranao izy Sy hihoby ny fahamarinanao.

8. Mamindra fo sy miantra Jehovah; Mahari-po sady be famindram-po Izy.

9. Manisy soa izao tontolo izao Jehovah; Ary ny fiantràny dia eny amin'ny asany rehetra.

10. Jehovah ô, midera Anao ny asanao rehetra; Ary ny olonao masina misaotra Anao.

11. Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy Sady miresaka ny herinao,

12. Mba hampahafantarina ny zanak'olombelona ny herinao Sy ny haben'ny voninahitry ny fanjakanao.

13. Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao, Ary hitatra amin'ny taranaka fara mandimby ny fanapahanao.

14. Jehovah manohana izay rehetra efa ho lavo Sy mampitraka izay rehetra mitanondrika.

Vakio ny toko manontolo Salamo 145